FANDOM

1,928,236 Pages

StarIconGreen
LangIcon
​ZanakoVavy

This song is by Mahaleo.

Andeha ianao ry zanako vavy
F'efa io ilay fanilon'ny andronao ho avy
Andeha ianao, andeha ka mahereza
Ny tokan-tranonao no iriko hateza

Ny masoko raha toa manganohano
Tsy tomany na alahelo fa andon-tsodrano
Hifarana eto ny anay ny adidy
Lehibe ianao ka tompon-tsafidy

Andeha ianao lasan'iny olon'iny
Tsy fantam-pototra mpandalo mpivahiny
Andeha ianao, ianao ilay tsy sarako
Hanadino ahy, hanadino ny anarako

Aza mieritreritra fahasarontam-piaro
Samy tia anao izahay nefa fitia tsy azo afangaro
Fa izahay no tany naniriana
Mahararirary na tiana na tsy tiana

Andeha lala o, o o andeha lala o
Mpindrana izahay fa tsy natao ho tompony
Andeha lala o, o o andeha lala o
Ny mamy lasany fa ny anay dia ny fofony

Andeha ianao ry zanako vavy
F'efa io ilay hameno ny andronao ho avy
Andeha ianao andeha ka matokia
Enga anie ka tsy ho sampona ny dia

Ny reninao aza avela hangina
Fa efa nisotro ny rano tsy tiana
Raha mibaliaka ny fitiavanao anio
Ireo nahary mba tsiditsidiho

Omeko anao, ho anao ry tovolahy
Ity harena tokana sy sarobidy ho ahy
Omeko anao f'izaho tsy ho sarotiny
Nefa mba amelao fitia potipotiny

Izahay tsy mitady vali-babena
Fa ny fitiavany no aza avela hihena
Fa raha ts'izany dia hahatsiaro ho kamboty
Toy ny mpamboly tsy afa-mioty

Andeha lala o, o o andeha lala o
Voatery hangina na tsy mahafoy
Andeha lala o, o o andeha lala o
Raha misy mahaory izany 'zahay no antsoy