FANDOM

1,940,088 Pages

StarIconGreen
LangIcon
Veloma Ry Fahazazana

This song is by Mahaleo and appears on the Soundtrack album Mahaleo (2005).

Veloma (x2), ry fahazazana
Veloma (x2), fa efa tsy tamana
Veloma f’izaho, tsy afaka hitana
Veloma (x2), ndeha ka faingana

Avelao aho hamoy fo mangina
Ny teo akaikinao, akaikinao ry tiana
Torimaso, sakafo sy lalao
No niarahako taminao

Arahaba e, ry hatanorana
Arahaba e, ry fahalalana
Arahaba e, ry hadalana
Tsy ary voatanisa, sarotra isaina

Nigoka, nifoka
Ka nijanganjanga
Ny ota rehetra indro mitranga
Kilalao hafa kely no natao
Niova tantely isan’andro izao

Veloma e, ry fahazazana
Veloma (x2), fa efa tsy tamana
Veloma f’izaho, tsy afaka hitana
Veloma (x2), ndeha ka faingana

Nananontanona ary ny fahanterana
Niandry any am-pasana ilay toerana
Nitomany indray ny fahazazana
Ny fahafatesana anefa tsy azo hialana

External links