FANDOM

1,927,287 Pages

StarIconGreen
LangIcon
​TananIMama

This song is by Mahaleo.

Jereo ny tànan'i Mama
Tsy sasatra mikarama
Hameloman-janaka
Jereo fa tsy mety lanaka
Manao izao sy izao
Mba hamalifaliana anao

Jereo ireny tànany ireny
Na dia tsy malemilemy
Toa manan-javatra miery
Jereo fa mirehitra hery
Mampitony izay manjo
Jereo fa tànana fo

Lasa, lasa nilefa vetivety
Izay zavatra tsy nety
Lasa, lasa nisinda avokoa
Izay mety ho aretin'andoha
Raha ny tànan'i neny
No eny an-kandrinao eny

Jereo ny tànan'ny Mama
Fa tsy mba mitamatama
Mandray ity manao iry
Misahin'asa firy firy
Tsy manam-pitsaharana
Tsy mahatsiaro hasasarana

Jereo ny tànan'i Neny
Mahalala izay omeny
Dia ny soa sy ny tsara
Ary tsy misy diso anjara
Fa na ny kapoka aza
Samy mahazo izay sahaza

Asa, asa tsy vitan'olon-drery
No iharetany fery
Asa, asa mapitotototo
Nefa ny tànany tsy mety donto
Satria ho an-janany
Ka foiny ny tanany

Ireny no nanolo sy namitra
Ary fanafodin-ditra
Mitory fahendrena
Tsy mety ho resim-pahalemena
Mahavita hatrany ny adidy
Tànana tsy voavidy

Asa, asa tsy vitan'olon-drery
No iharetany fery
Asa, asa mapitotototo
Nefa ny tànany tsy mety donto
Satria ho an-janany
Ka foiny ny tanany